Jerem-potsiny ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Miharitra izay anaovan’ny vahiny azy ny gasy kely. Taorian’ny Total sy Shell mantsy dia nampakatra ny vidin-tsoliny koa ny kaompania Galana sy Jovenna nanomboka ny harivan’ny alatsinainy 17 septambra eo. 30 ka hatramin’ny 50Ar ny fiakarana, koa manomboka izao dia 2.710Ar ny litatry ny gazoala, 3.290Ar ny litatry ny lasantsy ary 2.050Ar ny litatry ny solitany na solika fandrehitra. Malaza ho manana solika ny Gasy, saingy malaza tsy ihinanana izy io, amin’izay mbola ny vazaha koa no mitantana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.