Politique

Vidim-bary Tafakatra 1.700 Ar ny kilao ao Toamasiana


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Samy valalanina ny rehetra omaly maraina raha nandeha niantsena, nahita tampoka teo ny fiakaran´ny vidiny vary.

 Raha mbola 1.300 Ar ny kilaon´ny vary “stock tampon” ny alatsinainy teo, omaly dia efa tafakatra 1400 Ar ny kilaony teny an-tsena, ireo mividy avy hatrany amin´ny gony no mbola mahazo ilay vidiny teo aloha io. Ny vary gasy mena sy ny vary makalioka mena dia efa mahatratra 1600 Ar ny kilao ankehitriny raha mbola 1.500 Ar izany ny fiandohan´ny herinandro.

Ny tena lafo ankehitriny ao Toamasina dia ny vary makalioka somary fotsy izay efa mananiky ny 1.700 Ar ny kilao raha eny amin´ny tsena goavana no ividianana azy, fa raha vao miditra lalam-pasika na amin´ny tsenakely hafa amin´ny Fokontany, dia efa tafakatra 1.800 hatramin´ny 1.850 Ar ny kilao. Vokatr’izay dia manahy avy hatrany ny mponina ao Toamasina, fa hatahorana hitranga indray ny zava-nisy ny taona lasa, ka hividianan´ny olona vary hatrany amin´ny 2.000 Ar ny kilao ny volana desambra sy ny janoary ho avy izao. Betsaka noho izany ireo manangona vary manararaotra izao fotoana fandraisam-bola izao hisorohana ny fiakaran´ny vidim-bary. Ho an´ireo tsy mahazaka izany anefa dia miaritra eo sy miandrandra ny fanaraha-maso ataon´ny fanjakana mba tena hanaraka ny rariny sy ny hitsiny ny vidin-javatra. Hita miharihary ihany ny fanararaotana ataon´ny mpivarotra sy ny mpamongady sasany mikasika ny resa-bary.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT