Politique

Victor Manantsoa Tsy tokony hirosoana ny fifidianana


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Tsy tokony hiroso amin’ny fifidianana isika raha toa ka mbola ho toy ny endri-pifidianana hatramin’izay no hiseho amin’ny taona 2018, hoy ny minisitry ny fampianarana teknika teo aloha, Manantsoa Victor.

Tsy hisy fifidianana mihoatra ny 5 amin’ny 12 tapitrisa ny mpifidy, ary tsy mahatratra antsasamanilan’ny mpandatsa-bato voasoratra anarana akory ny ny nahalany ny filoha. Eo amin’ny 2,4 na 2,5 tapitrisa ny hahalanian’ny filoha, anisan’izany ny filoha Hery Rajaonarinampianina. Mety azo ekena izany teo aloha fa amin’izao tsy mety intsony, hoy i Victor Manantsoa. Mila manaraka ny fenitra iraisam-pirenena i Madagasikara raha tiana marina ny hisian’ny fitoniana politika, ka tsy tokony haharototra aloha ny fifidianana, raha tsy milamina ny pitsopitsony rehetra, araka ny fanehoan-kevitr’ity tompon’andraikitra ambony teo aloha ity. Ny 90%-n’ny fanehoan-kevitra momba ny fifidianana angamba no manahy korontana sy krizy, raha tsy milamina ny zava-drehetra, saingy tsy misy aloha ny tena finiavana politika, hoenti-misoroka dieny izao ny savorovoro politika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT