Politique

Victor Hong Tsy zaka ny parlemantera 600 isa


  • Talata 10 Janoary 2012

“Ho anay, ny Pr Zafy no lehibenay ka tsy maintsy manaraka izay baikony izahay ary izay no tena izy.

 Amin’izao fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy izao dia tsy zaka izany parlemantera 600 isa izany. Raha tena tia tanindrazana isika, tsy seza na voninahitra no tadiavina fa firenena mivoatra, izany hoe fiovana tanteraka no tadiavina”, hoy i Victor Hong, filohan’ny OFPACPA. Ny Malagasy samy Malagasy ihany no tokony hiresaka amin’izy ity, araka ireny voalazan’ny Profesora ireny. Misy anefa Malagasy sasany tsy te hifampidinika mihitsy. Ka ho anay, tsy ny fidirana na tsia CST na CT no olana. Izahay tsy manda ny hiditra ao fa ataovy mazava aloha ny resaka. Ataovy mazava ny fitantanana, halamino tsara ny fandrafetana ny fitantanana ny raharaham-pirenena fa aza atao kitranoantrano, aza atao resa-pianakaviana fa firenena no atao eto. Ka raha mazava izay dia miditra izahay, ary dia manao tanteraka.

Mikasika ny fanontaniana ataon’ny olona sasantsasany sy mpanao gazety momba ireo olon’ny ankolafy niditra ho minisitra sy any anaty rafitra samihafan’ny tetezamita any, dia nambaran’Atoa Victor Hong fa apetraka amin’ny Profesora Zafy manokana ny amin’izay. Azy io, izy no tompon’ny teny farany ny amin’izay ary zanany daholo ireo rehetra ireo, azy ny fandidiana sy fanapahana. Mikasika ny tsy fahatongavan’ny olon’ny ankolafy Zafy Albert nikabary teny amin’ny kianjan’ny Magro intsony taorian’ny nidiran’ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny CST sy CT dia nambaran’ity mpanao politika ity fa mba nandamina ny raharahan-tokantranon-dry zareo koa izy tao ho ao. Ny sori-dalana no hitambarantsika rehetra ka izay hanatanterahana an’io no himasoana voalohany. Mila miresaka isika samy Malagasy, mila mandray anjara daholo tsy misy fitapitaka sy fihatsarambelatsihy mba hilaminana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT