Nanamafy omaly teny Andrefanambohijanahary Rtoa Véronique Vouland-Aneini fa manantena ny hisian’ny fifidianana ao anatin’ny fitoniana eto Madagasikara i Frantsa, fitoniana izay hahafahan’ny firenena mandroso.
Fanirian’i Frantsa, hoy ity masoivoho ity ny tsy hitambesaran’ny vesatry ny krizy intsony amin’ny vahoaka. Manamafy hatrany ny hevitry ny sehatra iraisam-pirenena eto ny Frantsay tamin’ny alalan’ity masoivohony eto Madagasikara ity ary miantso ny fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra politika rehetra mba hahay hifandamina ka ho tontosa ao anatin’ny filaminana sy ny fitoniana ny fitondrana, vonona hanampy an’i Madagasikara amin’izay i Frantsa, hoy Rtoa Véronique Vouland-Aneini. Fanambarana izay azo antoka fa tsy tongatonga ho azy ary tahaka ny efa fambara sahady fa hikatso ny firenena, tsy hisy ny fanampiana sy ny fanohanana raha vao misavorovoro eo ny resa-pifidianana amin’ny 2018. I Frantsa izay manana ary tena mbola manana anjara toerana goavana amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.