Politique

Véronique Rajerison Mpamatsy vola an’i Lylison ?


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Mahoraka indray izao fa mizaka ny tsy eran’ny ainy ny kolonely Lylison senatera MAPAR noho ny fiarovany ny biznesin’i Véronique Rajerison.

 

 Ity farany, izay kandidà solombavambahoaka tao Antananarivo faha-5 tamin’ny 20 desambra 2013, avy eo kandida Ben’ny tanàna teto Antananarivo tamin’ny 31 jolay 2015 fa tsy lany. Izy no anisan’ny namatsy vola an’i Lylison René de Rolland Urbain niatrehany ny fifidianana tamin’ny 29 desambra 2015 ka nahavoafidy azy senatera. Mety tambin’ny fanohanana ara-bola no mahatonga azy manao sorona ny ainy mba hananany toerana sy fahefana hiarovana ny biznesin’i Véronique Rajerison. Mety ho tanjona voalohan’ny kolonely Lylison ny ho lasa lehiben’ny mpanohitra ahazoany ilay toerana faha-7 ao amin’ny Antenimierandoholona hananany fahefana, ary koa mety mba hiarovana ny tombontsoan’ity kandidà Ben’ny tanàna diso fanantenana ity. Ny kolonely Lylison dia mpanolotsain’i Véronique Rajerison nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna. Mandeha ny feo tamin’ireny fa resaka tombontsoa manokana no nanosika an’ity renim-pianakaviana ity ho kandidà tamin’izany fotoana.

Tombanan’ny mpanara-baovao fa mety misy ifandraisan’ny vola be lanin’i Véronique Rajerison nandritra ny propagandy tamin’ny fifidianana loholona farany teo no mahatonga ny kolonely Lylison mihetsika mafy amin’izao fotoana. Tetsy an-daniny koa anefa ny fampiatoan’ny minisiteran’ny Jono ny fahazoan-dalana hanondrana drakaka. Anisan’ireo mpanondrana io karazana handrazandrano io mankany Sina izy ireo, ary drakaka an-taoniny maro no saika naondran’izy ireo iray volana lasa izay. Anisan’ireo mpandraharaha valo naaton’ny minisitera ny fahazoan-dalan’izy ireo noho ny resaka fenitra takiana amin’ity lalampihariana drakaka ity.


Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT