Nanamafy ny filoha andry Rajoelina omaly fa efa 4000 ariary ny euro 1 izao, tsy afaka miala bala intsony ireo mpivarotra entana, hoy izy satria efa miha mahazo aina ny ariary.
Tsy maintsy apetraka mazava ny vidin’entana tena izy eny amin’ny tsena, tsy azo ekena ny fanararaotana hakana tombony ambony be loatra.Vonjimaika ihany ny tsena mora, hoy izy ary efa misy ny ezaka atao. Tsy maintsy mametraka, mamelona ary mampitombo ny zavatra vokarintsika amin’ny vary sy ny siramamy, ohatra, isika ary ao anatin’ny velirano io. Tsy hifamitaka kosa anefa fa ny fampiroboroboana izany sy ny fananganana indostria hanodina ny vokatra tsy ho vita vetivety.5 taona no hanatanterahana ny velirano, hoy ny filoha Andry Rajoelina omaly.Aorian’izay isika, hoy ny filoha vao hifanontany hoe inona no vita ? Inona no tsy vita ? Mazava ny resaka eto fa tsy misy idiran’ilay TGV haingam-pandeha noresahana nandritra ny propagandy ny amin’izao fotoana fa dia tahaka ny fomba fiasan’ireo filoha rehetra nifandimby ihany.Tsy misy ny fahagagana fa tsy maintsy miasa mafy, miasa haingana…mampatsiahy ny tenina filoham-pirenena teo aloha ny resak’i Andry Rajoelina omaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.