Nahatsiaro an’ireo niharam-boina tamin’ny 26 jona tetsy Mahamasina ireo vehivavy parlemantera avy amin’ny Loholona etsy Anosikely
sy avy amin’ny Solombavambahoaka eny Tsimbazaza ka niara-nirohotra nitondra ny tsirambin’ny tanana sy nitondra ny teny fampaherezana ireo naratra 23 mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny Hopitaly HJRA sy teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ny nana-manjo mbola tratra teny an-toerana, ny talata 28 jona teo. Nitarika ireto Vehivavy Parlemantera ireto moa ny filohany am-perinasa, ny depiote Rahantasoa Lydia voafidy tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.