Taorian'ny fifaranan'ny fihaonambe faha-42 an’ny « APF » ny talata 12 jolay 2016 lasa teo dia tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan'ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré ireo solontenan'ny vehivavy Parlemantera Malagasy,
tarihin-dRahantasoa Lydia Aimée izay Solombavambahoakan’i Manjakandriana. Voaresaka ireo tanjona maromaro hotratrarin'ireto parlemantera vehivavy ireto tahaka ny ezaka fampihenana ny tahan'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin'ny vehivavy Malagasy sy ny mety fanolorana ny volavolan-dalàna mahakasika ny fianakaviana. Nanome toky azy ireo ny filohan'ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré fa vonona ny hanampy amin'ny fandrafetana volavolan-dalàna mahakasika ny fianakaviana Malagasy, indrindra ny amin'ny fampitomboana isa ireo vehivavy mandray andraikitra eto anivon'ny firenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.