Politique

Vehivavy parlemantera Hitarika ny vehivavy hilahatra anio


  • Alarobia 29 Mey 2013

Nivory tao Tsimbazaza ireo parlemantera vehivavy mpikambana CST sy CT omaly talata 28 mey.

 Nanapa-kevitra izy ireo fa ho fandraisan’ny vehivavy andraikitra amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara dia hanao diaben’ny fandriampahalemana anio alarobia 29 mey. Manentana ny vehivavy rehetra tsy an-kanavaka izy ireo handray anjara amin’izany. Hiainga eo amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, hihodidina ny farihin’Anosy ny diabe anio maraina. Akanjo fotsy na hitafy lamba fotsy no safidin’izy ireo hanaovana ho marik’izany mba hanehoana ho hitan’i Madagasikara iray manontolo fa ny vehivavy dia afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny olana misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Ny hisian’ny fifidianana no tian’izy ireo hahatongavana amin’ny hetsika. Nokianina mantsy izy ireo hoe notendritendrena fotsiny fa tsy olom-boafidy. Milaza ho efa nanao fangatahan-dalana tany amin’ny Kaominina sy ny “Préfet de police” moa izy ireo.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT