Politique

Vehivavy parlemantera Hanitsy ireo karazan-dalŕna manilika ny vehivavy


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Hanitsy ireo karazan-dalŕna efa lany andro manilika ny vehivavy ireo vehivavy parlemantera Frankofona.

Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza izy ireo ny sabotsy teo. Fampahafantarana ny dingana vita tamin’ny fampiharana ny miralenta,  fijerena ireo karazana paikady hahatonga ny vehivavy parlemantera hahaleotena amin’ny lafiny rehetra…Ireo tamin’ny ankapobeny no niompanan’ny dinika nifanaovan’izy ireo. Ho an’ireo parlemantera vehivavy Malagasy eto amintsika manokana dia miisa 42 izy ireo no mivondrona ao anatin’izany ka miisa 13 ny loholona raha 29 kosa ny solombavambahoaka. Nambaran’ny filoha nandritra izany fa anisan’ny asa laharam-pahamehana maika tsy maintsy hotontosain’izy ireo ny fanafoanana mihitsy na fanitsiana ireo karazan-dalàna manilika ny vehivavy amin’ny endriny rehetra. Efa misy amin’ireo karazan-dalàna ireo mantsy no efa lany andro tsy tokony hampiasaina intsony, asa nodinihin'ny fikambanana niaraka tamin’ny EISA. Anisan'ny nasian'izy ireo resaka tamin'izany ny fandovan’ny vehivavy ny vadiny izay any amin’ny laharana fahavalo na fahasivy vao misy ny toerany…raha izy no loharano nipoirana nahitana ny menaky ny aina sy niasa mafy ho an'ny ankohonany. Tafiditra indrindra ao anatin'ny fivoriana faha-42 notanterahin'ireo vehivavy parlemantera Frankofona moa izao fivoriana notanterahin'izy ireo izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT