Vehivavy ny 59,49 %-n’ny Malagasy, raha ny fanazavana nandritry ny atrikasa manokana miompana amin’ny vehivavy sy ny politika notontosain’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampananan’asa niaraka tamina mpiara-miombon’antoka vitsivitsy tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy tamin’ny faran’ity herinandro ity.
Zara raha misy 0,03% anefa, hoy ny minisitry ny fampananan'Asa, fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'Asa Toto Marie Lydia, ireo vehivavy tafiditra amin’izay fanaovana politika eto Madagasikara izay. Vitsy ny vehivavy te hisehatra amin’izy io noho ireo andraikitra maro samihafa sahanin’ny vehivavy, indrindra, eo anivon’ny tokantrano. Matetika, ohatra, alina hatrany ireo fivoriana politika eto amintsika ary sakana satria manahirana ilay vehivavy mivoaka alina. Mila manam-bola rehefa manao politika. Sakana iray hafa koa io, hoy hatrany ny ohatra nomeny. Manoloana io zava-misy io indrindra ary dia nodinihin’ireo vehivavy vitsivitsy misehatra eo amin’ny tontolo politika sy maniry hiditra bebe kokoa amin’izay tontolo politika izay ny sehatra tena tokony hivelaran’ireo vehivavy maniry hanao izay politika izay. “Vehivavy miasa sy sehatra fanapahan-kevitra” rahateo moa no lohahevitra noraisina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.