Namangy sy nitsidika ireo zaza niharam-boina tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga ny zoma 29 aprily 2016 teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 PK31+400 teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy
Andrianavalona ireo vehivavy solombavambahoakan’i Madagasikara omaly taorian’ny fotoam-panokafana ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimieram-pirenena. Nitondra am-bavaka, nankahery ary nanolotra izay voatsirambin’ny tanàna ihany moa ireto depiote vehivavy ireto. Tompon’andraikitra voalohany eny amin’ny boriborintany faha-6 tokoa ireo depiote mirahavavy lany tao Ambohimanarina saingy tsy namela azy ireo irery ireo vehivavy parlemantera namana notarihan’minisitry ny Fampianarana teknika sy ny sehatra matihanina sady filohan’ny fikambanana teo aloha Raharimalala Toto Marie Lydia. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fifamoivoizana, hoy ity farany. Fanaovana tandrevaka miaraka amin’ny tsy fanarahan-dalàna mantsy no miteraka ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika, araka ny fanazavany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.