Hiara-kiasa akaiky amin’ireo vehivavy Ben’ny tanana eto amin’ny Faritra Analamanga manomboka izao ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré.
Ity andrim-panjakana iray ity mantsy no hany solontenan’ny vondrom-bahoakam-paritra afaka ny hitondra ny fitarainan’ ireo Ben’ny tanàna any amin’ny governemanta izay mpanatanteraka ny asa, indrindra fa ireo kaominina tantanana vehivavy. Tonga niarahaba sy nirary soa ny filohan’ny Antenimierandoholona tetsy Anosy izy ireo omaly maraina notarihin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Anosizato Andrefana Andriambololona Laurence filohan’izy ireo. Nivoitra nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta fa anisan’ny hanampian’ny filohan’ny Antenimerandoholona voalohany azy ireo ny resaka zom-pirenena, indrindra fa ny fanitsiana ny lalàna mifandraika amin’izany izay tsy maintsy hihaonan’ity tompon’andraikitra ity mivantana amin’ny minisitry ny Fitsarana. Rehefa misy vehivavy Malagasy manambady lehilahy vahiny mantsy dia tsy mahazo mizaka ny zom-pirenena malagasy ity farany. Mifanohitra amin’izay kosa ny zava-mitranga rehefa ny lehilahy malagasy manambady vehivavy vahiny. Tena tsy mitovy ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy raha io no jerena ka tsy maintsy hojerena akaiky. Tsiahivina moa fa miisa 18 ankehitriny ireo vehivavy Ben’ny tanàna eto amin’ny Faritra Analamanga izay hiezaka hamondrona ireo namany rehetra manerana ny Nosy hahafahana mampitovy fomba fijery.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.