Nilaza ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny vehivavy ankolafy Ravalomanana ny sabotsy antoandro teo nialoha ny nanomezan’ny filoha Ravalomanana toromarika ireo mpiara-dia amin’ny tohin’ny tolona.
«Lavinay marindrano ny fanapahan-kevitra noraisin’ny CES tamin’ny fanilihana an’i Neny Lalao Ravalomanana tsy ho kandida filoham-pirenena. Noho izany ny fanatanterahana ny fifidianana tsy andraisan’ny rehetra anjara dia miteraka krizy vaovao sy tsy hampilamina ny firenena», hoy Rtoa Zo Raharinosy nitondra tenin’ny vehivavy nanoloana ny mpanao gazety tao Bel’Air. Tsy azo tsinontsinoavina ny ankolafy Ravalomanana amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Manamafy ireo vondrom-behivavy ireto fa tokana ny ankolafy Ravalomanana izay tarihin’i Mamy Rakotoarivelo sy ny mpitarika rehetra tsy ankanavaka eto an-toerana, ary ny baikon’ny filoha Marc Ravalomanana ihany no tanterahana. Nohitrikitrihan’izy ireo koa fa ny fitsabahan’ny Frantsay amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy dia tsy eken’izy ireo hatramin’ny farany.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.