Politique

Vavanjaka Naivo Michel “Filankevitra hiarovana seza ny FFM”


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay ireo raiamandreny ara-drazana ao Toamasina, taorian’ny namoahana ny lisitr’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ny Fampihavanam-pirenena Malagasy (FFM), izay nahagaga azy ireo ny olona ao anatiny sy ny fomba nanendrena azy. Ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitondra tenin’izy ireo, ny Vavanjaka Naivo Michel...

 Tia Tanindrazana (TT) : Voatsonga ary nivoaka ny lisitr’ireo mpikambana eo anivon’ny FFM, ny hevitrareo amin’ny maha mpitondra tenin’ny Tangalamenan’i Toamasina anao ?

Naivo Michel (N.M) : Ny fampihavanana raha amin’ny tena heviny eo amin’ny Malagasy dia tsy azo ataotao foana. Mila olona to teny sy tsongoinolom-bolo eo amin’ny fiarahamonina ary tena mahatondra tenin’ny vahoaka marina amin’ny maha “raiamandreny” azy no afaka hanao izany. Izany hoe olona mahalala tsara ny Faritra, ny Faritany ary Foko niaviany. Marina fa tsy ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny no miady fa ny mpanao politika, na izany aza dia vokatry ny politika maloton’ny mpanao politika no nampisy olana ny fiarahamonina, ka izay no ilana ireo raiamandreny ara-drazana ireo satria izy ireny no afaka mifehy ny zanany avy izay hanamorana ny fampihavanana faobe ara-politika avy eo.

TT : Niisa 39 ianareo no tao anatin’ny lisitry ho safidiana teo anivon’ny FFM, toa hoe tsy tao anaty lisitra akory izy mianadahy voafidy solontenan’ny Faritra Atsinanana ?
N.M :
Marina tokoa fa 39 mianadahy izahay no tao anatin’ny lisitry ny Faritra Atsinanana. Izy mianadahy voafidy ireo dia tsy tao anatiny tokoa izay tena nahagaga anay tanteraka. Tsy hidedaka ny tenako fa anisan’ny tsara toerana sy nahazo isa ambony ny tenako taminay 39 mianadahy natao tao anatin’ny lisitra nefa ireny ny vokany. Izany dia voakatry ny adidy natao tamin’ny raharaha Barikadimy ny taona 2011, ny raharaha ahi-maitson’ny Kaominina ny 2012 ary ireo andraikitra teo anivon’ny fanjakana hatramin’izay. Midika izany fa tsy Filankevitra tena hampihavana no napetraka fa filankevitra hiarovana seza politika sy toeram-pitondrana hahafahana mametraka hatrany ilay politika maloto efa nampisy krizy teto miverimberina.

TT : Inona izany izao no hataonareo ?
N.M :
Fanaovana tsinontsinona anay izao zava-misy izao. Tsy hisy izany fampandrosoana izany raha tsy omena ny toerany amin’ny tena maha-raiamandreny azy izy ireo. Tsy fitadiavana voninahitra na seza izany, fa izy ireny no mpifehy sy mpandrindra ny fiaraha-monina misy azy tsirairay avy. Ny tahotra ny raiamandreny dia ampy mampilamina ny fiaraha-monina, saingy tsy omena hasina ny antsika ka aza gaga raha mbola hivaralila sy hikorotan-dava eto foana ny firenena.

TT : Ho vita ihany izany ve io fampihavanam-pirenena io ?
N.M :
Inona no fampihavanana ho vita eo fa tsy maintsy hanaraka ny baiko fotsiny ireo. Tsara marihana anefa fa izay vita sonia tsy maintsy tanterahina ary tsy ny vahoaka no nanao sonia ny tondrozotra fa ny samy mpanao politika ihany. Mifanaraha fotsiny ianareo mpanao politika dia araho amin’ny antsipirihany ny voalazan’ny tondrozotra. Dia mifamela heloka ianareo, diovy avokoa ny helokareo rehetra, dia avelao amin’izay ny vahoaka tompom-pahefana no hifidy izay tiany sy mifanaraka amin’ny heviny.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT