Politique

Vato Fehizoron’i Madagasikara Mitaky ny hanadihadian’ny fitsarana ireo voatonon’ny Pr Zafy


  • Talata 27 Septambra 2011

Manoloana ny karazana ampamoaka lehibe nataon’ny profesora Zafy Albert dia mitaky ny hanaovan’ny fitsarana fanadihadiana avy hatrany ka hampahafantarina ny vahoaka izay vokatr’izany ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara (VFM) izay miara-dia amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana.

 Araka ny fanazavan’ity antoko ity dia tsy tafiditra ao anatin’ny fampitoniana ara-politika ny fanenjehana ireo mpamono olona sy mpangalatra. Nisy rahateo anarana maromaro voatonona, araka ny fanazavana ka tsy tokony hotakonana amin’ny resaka politika izany. Ho an’ny VFM dia, na samborina ireo nahavita heloka bevava na samborina ihany koa ireo izay manendrikendrika. Ankoatra izay dia tsy eken’ity antoko ity ny fanilikilihana amin’ny fitantanana ny tetezamita vaovao fa rehefa hery velona eto amin’ny firenena dia tokony handray anjara amin’ny fanomanana sy fananganana ny Repoblika fahefatra daholo. Milaza ho tsy manana olana amin’ny fanantanterahana fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy koa ny VFM izay mitaky ihany koa ny famoahana ireo gadra politika faran’izay haingana.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT