220 000 taonina amin’ireo 19 tapitrisa taonina ilaina amin’ny fanamboarana ilay lalana ambony ranomasina antsoina hoe « nouvelle route du littoral » atsy amin’ny nosy La Réunion no alaina any amin’ny kaominina Ambanivohitry Fanandrana ao Toamasina
. Ny orinasa Colas no maka sy manondrana ny vato, ny ampahefatry ny asa no fantatra fa vita amin’izao fotoana. Marihina fa ny fanomezan-dalana amin’ny fitrandrahana vato amina kariera dia ny kaominina misy azy amin’ny alalan’ny fanapahan’ny mpanolotsain’ny tanàna no mamoaka ny fahazoan-dalana amin’ny fametrahana ireo fepetra samy hafa ho tombontsoan’ilay kaominina. Efa fananan’ny Colas hatramin’ny 2006 ity kariera fitrandrahana vato ity. Nanaitra ny maro ny fanondranana satria akora azo ampiasaina tsara amin’ny fanamboaran-dalana,fanorenan-trano eto amintsika io alefa hanotofana ranomasina sy hanamboarana ny lalana any an-kafa io na dia hita tsara aza fa simba sy potika ny arabe eto, ary ahitana izany any Toamasina nakana ireo vato ireo.Fihetsika toa midika ho fanambaniana sy fanompana ny Malagasy tsotra izao.
Tsy mangarahara
Nandritra ny fanapahana norasin’ireo mpanolotsain’ny kaominina tamin’ny fanomezan-dalana ny orinasa Colas haka vato sy hanondrana izany any ivelany ao amin’ny kaominina misy azy ireo, dia voalaza tao koa ny resaka tamberim-bidy ho an’ny kaominina izay alaina isaky m³ ny vato aondrana. Niezaka nikaroka ny momba io izahay, fa tsy nisy afaka nanome ny sandan’izany sy ny fitambaran’ny vola mety ho azon’ny kaominin’i Fanandrana avy amin’ny orinasa Colas. Tsy misy ny mangarahara mikasika ity vola azo avy amin’ny vato ity, ka mampanahy ny fisian’ny kolikoly sy fanodinkodinam-bola ao anatiny. Nanomboka ny volana oktobra 2015 no nanondrana vato voalohany atsy amin’ny nosy La Reunion ny Colas. Isaky ny tapa-bolana teo no fandefasan’izy ireo ka 3 na 4 andro ny “Barges” mitondra azy vao tonga any. Tamin’ity volana febroary ity anefa tsy mbola nanondrana vato ny Colas na in-dray mandeha aza.
Vola be sy kolikoly
Raha tsy ampy ilay 220.000 taonina alaina ao Fanandrana, dia fantatra ihany koa fa mbola manana kariera any Taolagnaro izy ireo hakana azy. Ny BTP Vinci sy ny Bouygues no miandraikitra ny fanamboarana ity lalana 12 km ao La Réunion ity izay lafo indrindra ho an’i Frantsa satria mitentina 130 tapitrisa euros isaky ny kilometatra, izany hoe 1,6 miliara euros ny tentim-bidiny. Manampy izay dia niteraka resaka ity asa goavana ity satria misy ny ahiahina kolikoly sy kinamanamana tamin’ny fanomezana ny tolobidy, ary efa nisy mihitsy ny fanadihadiana niampy fisavana trano tsy latsaky ny 15 tany La Réunion ny 8 oktobra 2015. Midika izany fa misy tsy milamina amin’ity tetikasa goavana ity na tany amin’io nosy rahavavy io na ny eto amintsika saingy moana sy mangina tanteraka ny manampahefana Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.