Politique

Vary moran-dRajoelina Efa propagandy sady famonoana ny tantsaha


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Tonga tao Toamasina ny sabotsy teo ny sambo mitondra vary mora milanja 16 500 taonina nafaran’ny fanjakana Rajoelina avy any Karachi-Pakistan. Ny 10 000 taonina amin’io dia nampidinina ao Toamasina, ary halefa any Toliara kosa ny 6 500 taonina ambiny. Ny 19 janoary no nilazana fa efa any anaty sambo ny vary mora.

 


 Araka ny fampanantenana sy velirano, dia tonga ny vaovao mahafaly, hoy i Andry Rajoelina, izay tonga tao Toamasina omaly. Hozaraina, hamidy amin’ny vidiny mora amin’ny olona tena sahirana manerana an’i Madagasikara. Tsy hoe vary kalitao farany ambany, fa tena farany ambony, hoy izy. Andeha hiverenana ny fanehoan-kevitr’Atoa Rabekoto Honore Auguste na “Bekoto” mpanakanto ao amin’ny tarika Mahaleo  sady mpahay fiarahamonina izay nilaza hoe: “"Tsy mila vary mora avy any ivelany izahay fa ny vary gasy sy makalioka vokatra eto an-toerana vidina dia ataovy vary mora amin'ny vahoaka. Aza vonoina ny mpamokatra Malagasy Tompoko". Tsy ny vary mora no ratsy, ary misy ampahana Malagasy mety mila izany tokoa. Fa mba manao ahoana kosa izany ny vokatry ny tantsaha izay nandaniana ron-doha sy fotoana, izay be mason-karena tokoa. Amin’ny lafiny iray, dia famonoana an-kitsirano ny tantsaha izao satria tsy maintsy halatsaka izany ny vidin’ny azy. Mila mandray fepetra mifandraika amin’io zavatra nataony io ny fanjakana amin’ny fijerena ny tantsaha 80% amin’ny Malagasy, toy ny fanampiana ara-bola na “subvention” noho ny fatiantoka mety hisy ohatra, na ny fampitaovana ara-pamokarana, ka ny azy ireo no vidiana raha hividy ihany,… Mibaribary ny ambadika politika satria hiditra amin’ny fifidianana solombavambahoaka isika. Mitovy amin’izao rahateo no natao tamin’ny tsena mora nandritra ny propagandin’ny filoha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT