Ny 19 jona no nandraisan’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny vary an’arivony taonina avy amin’ny governemanta sinoa, ka ny Masoivohon’ity firenena ity Yang Xiaorong no nanolotra izany. Mahatratra 4300 taonina ny totalin’ireo azon’I Madagasikara.
Hamatsiana sy hanarenana ny fahavoazana navelan’ny rivo-doza Enawo no anton’io fanampiana io ho an’ny fanjakana Malagasy, ka ny Sampan-draharaha misahana ny fiatrehana ny loza voajanahary (BNGRC) no nambara fa hiantoka ny fitantanana izany. Nireharehana mihitsy fa mitsinjo ny Malagasy ao anatin’ny fahasahiranana ny fanjakana. 4 volana aty aoriana isika izao, ka mipetraka ny fanontaniana hoe nisy fiantraikany tamin’ny Malagasy na dia ny ampahany aza ve ity vary an’arivo taonina nireharehana ity? Raha ny vahoaka no anontaniana dia tsia avy hatrany no valiny. Tsy nisy ny nangarahara ary tsikaritra ho lasa bizin’ny mpitondra ny fahazoana iny vary iny na kanefa ny anaran’ny Malagasy no nenti-nangataka. Ny fanjakana HVM kosa no toa nitavana azy, ka mipetraka ny fanontaniana hoe ho an’ny vahoaka Malagasy sa ho an’ny antoko HVM ilay fanampiana? Nandeha ny resaka fa ny ampahany tamin’io vary azo tamin’ny sinoa io no nanambatambazan’ny filoha mivady ireo zokiolona isaky ny boriborintany teto Antananarivo, ka nampanantsoina azy ireo teny Mahamasina volana vitsivitsy lasa izay. Toa mitombina izany raha dinihina amin’ny zava-misy satria tsy nisy mihitsy ny mangaragarahara fa nokononkononona mangingina tany ny momba ireo vary. Toa ataon’ny HVM fitaovana hanaovana propangady amin’ny toe-javatra maha sahirana ny vahoaka ny zava-misy, ka amin’ireny no mody hamoahana azy sy hireharehana fa mitsinjo vahoaka ny mpitondra. Ny resaka bizina tamin’ity vary ity moa tsy resahina intsony satria efa nisy fotoana niparitahan’ny vaovao fa nisy nivarotra teny amin’ireo tsena lehibe teto an-drenivohitra. Fanjakana inona re ity e?
Toky RTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.