Politique

Vaovao Benjamin “Tsy ekeko ny fikasihana ny vady aman-janak’i Marc Ravalomanana”


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Raha ny fanamarihana amin’ny fahatsiarovana azy dia rariny raha nisy ny hetsika 7 febroary, hoy ny CST Vaovao Benjamin, fa tsy tokony hifampihantsiana kosa anefa ka hamafisina loatra ilay resaka faharatrana sy fahafatesana niseho.

 Fahadisoana efa niseho hatrany amin’ny tolon’ny taona 1972 ny fandroritana be loatra tamin’ny resaka politika ny teny navoakan’ny mpitondra fanjakana nifandimby. Noraisiny ho ohatra ilay teny malaza nataon’ny filoha Tsiranana Philibert raha niverina avy niala sasatra tany Andranomafana tamin’izany hoe : “Tsakitsaky zato arivo” izay tsy noraisina hatrany amin’ny voalohany ny teny rehetra nataony fa io farany io ihany no novoizina tamin’ny haino aman-jery.

Tsy nisy resaka fampirisihana velively ny miaramila na FRS tamin’izany hamono mpianatra fa antso fampieritreretana azy ireo fa mba olombelona ihany ireo mpitandro ny filaminana ka mety ho tezitra amin’ny zava-misy ka hampiasa ny fitaovam-piadiana eny aminy. Dia tahaka izany koa, hoy izy, ny taty amin’ny 10 aogositra 1991 sy ny tamin’ny 2002 ary ny tamin’ny 2009. Ho fehin’izay rehetra izay dia ambarako, hoy i Vavao Benjamin, fa tokony samy hiezaka ny rehetra indrindra ny raiamandreny eto amin’ny firenena amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ity krizy ity. Tokony hanao fivoriambe ary hikaon-doha hamerenantsika tsikelikely ny fifankatiavana sy fihavanana Malagasy ny raiamandreny FFKM sy Silamo ary ireo Tangalamena sy Sojabe, hoy izy. Farany dia ambarako fa izaho dia fatra-piady tamin-dRavalomanana tamin’izy teo amin’ny fitondrana saingy tsy ekeko kosa raha ny vady aman-janany no kasikasihana fa tsy misy mahavoatana azy ireo mihitsy na kely aza ny zava-nisy araka ny lalàna.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT