Ny andaniny eo amin’ny fitantanana ny tetezamita amin’ireny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe tsy hifampiazarana amin’ny rehetra ireny ary ny ankilany Ankolafy Ravalomanana na dia efa ao anaty fitondrana koa aza amin’ireny famoriana olona fitsenana ny olona ombany ireny. Mikasika ny tamin’ny 21 janoary manokana dia efa nolazaiko ry Mamy Rakotoarivelo sy ireo namany fa ny fodian-dRavalomanana dia voalaza mazava ao anatin’ny sori-dalana ka nahoana ianareo ankolafy eto an-toerana no tsy nilaza taminay vondrona nanao sonia an’io sori-dalana io ny amin’izany zavatra izany nefa isika Malagasy dia olon’ny fo ka raha tonga niteny taminay ianareo dia mba nalefadefaka kokoa ny fankahalana ny zava-niseho. Ilay fiverenana noheverina tamin’ny sabotsy teo indray dia hiombonako hevitra amin’ny Amiraly nilaza hoe tokony hahemotra kely ireo fiverenan’ny filoha teo aloha sy ny fianakaviany.
Heveriko fa tsy tokony nampifandrindrana tamin’ny nisian’ny raharaha Akiva nandalo teny amin’ny fitsarana sy ny fiavian’ny 7 febroary izany eritreritra izany fa manjary mafampana izay tsy izy. Raha izaho izay fatra-piady tamin-dRavalomanana tamin’izy teo amin’ny fitondrana dia tsy ekeko kosa raha ny vady aman-janany no kasikasihana fa tsy misy mahavoatana azy ireo araka ny lalàna. Mikasika ity fihetsiketsehana 7 febroary ity moa dia nanambara ity mpanao politika avy amin’ny Arema ity fa raha ny fanamarihana amin’ny fahatsiarovana azy dia rariny raha hisy ny hetsika atao, ary anisan’ny hanatrika ny fanompoam-pivavahana araka ny fanasana ny tenako, fa tsy tokony hifampihantsiana kosa anefa ka hamafisina loatra ilay resaka faharatrana sy fahafatesana niseho. Ho fehin’izay rehetra izany dia ambarako fa tokony samy hiezaka ny rehetra indrindra ny raiamandreny eto amin’ny firenena amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ity krizintsika ity. Tokony hanao fivoriambe ary hikaon-doha ho an’ny hamerenantsika tsikelikely ny fifankatiavana sy fihavanana Malagasy (na dia tsy ho tafaverina tanteraka aza) ny raiamandreny FFKM sy SILAMO ary ireo TANGALAMENA sy SOKABE isan-kararazany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.