Politique

Vaovao Benjamin Olan’ny mpanao politika maro ny fodian-dRavalomanana


  • Talata 27 Martsa 2012

Ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana no olana ho an’ny mpanao politika maro eto amintsika ankehitriny, hoy i Vaovao Benjamin, sekretera “administratif”-n’ny antoko Arema sady mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary izay no mbola hahasarotra ny fanatanterahana ny eritreritry ny Amiraly Didier Ratsiraka hanaovana ny antsoiny hoe “Conférence au sommet”.

 Tsy mbola mitovy hevitra mihitsy hatreto izy efatra mirahalahy ireto, hoy ity mpanao politika ity. Tamin’ny fandalovan’ny Amiraly farany teo teto an-tanindrazana dia tokony ho efa natomboka tamin’ny diniky ny telo tonta ny resaka satria efa teto avokoa izy telo voakasika, dia ny Pr Zafy Albert, ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Andry Rajoelina, ary niantsoana ny solontenan-dRavalomanana izany na dia ho mpanara-maso fotsiny aza. Amin’izay, hoy i Vaovao Benjamin mba nisy ampahana dingana vita teo amin’ny vinavina fampihaonana azy ireo fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana amin’ny krizy mianjady amintsika ankehitriny.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT