Politique

Vaovao Benjamin Mila tairina ny fitsarana


  • Alakamisy 22 Desambra 2016

Manoloana ny fisamborana mpanao politika etsy sy eroa, toy izay nahazo ny filoha lefitry ny vondrona Mapar, Augustin

 

Andriamananoro sy ireo namany hafa miaraka hampanaovina krismasy aminy any Antanimora dia nilaza ny mpanolotsaina eo anivon’ny primatiora, Vaovao Benjamin, fa anjarantsika ny misintona lesona sy manaitra ny fitsarana amin’ny zava-miseho. Tsapanay loatra ny zavatra niainanay tamin’ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009. Noho ny tahotra fa mety hiharan’ny hazalambo toy izay efa naely tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana izahay, raha nifidy ny kandida natolony tamin’ny taona 2013 dia naleonay nanohana ny HVM hatramin’iny ka hatramin’izao, hoy izy. Nilaza moa ity mpanao politika ity fa manomboka misintaka amin’ny antoko Arema izay nisy azy hatramin’ny taona 1979 noho ny hevitra tsy mitovy intsony ary mieritreritra ny hanorina antoko an’ny tenany manokana. Mifarana kosa ny taona 2017 vao hataony ny tombana rehetra mikasika ny mety sy tsy mety vitan’ity fitondrana ity hanapahany hevitra na mbola hiara-dia amin’ny HVM izy na tsia.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT