Tontosa omaly tany Port-Louis nosy Maorisy ny famindram-pahefana teo amin’Atoa Jean Claude de l’Esrac sekretera jeneralin’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CIO) teo aloha sy Atoa Hamada Madi Boléro, sekeretera jeneraly vaovao.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasan’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny efa-taona nitantanan’i Jean Claude de l’Esrac ny COI, ka anisan’ny asa nisongadina nandritra izany ny fametrahana rafitra hanamafisana ny fitandroana ny filaminana eny an-dranomasina, ny fametrahana ny “Alliance vanille” na ilay fiaraha-miasa eo amin’ny fitaterana ana habakabaka eo amin’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tetikasa goavana ihany koa ny fametrahana ny fibre optique any ambany ranomasina hanatsarana hatrany ny tolotra amin’ny internet. Asa natomboka tao anatin’izay efa-taona izay ihany koa ny hametrahana an’i Madagasiara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny resaka ara-tsakafo, misy famatsiam-bola 60 tapitrisa dolara hanatanterahana izany. Nanatrika ity famindram-pahefana ity tany an-toerana moa ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.