Politique

Valin-kafatra ho an’ny GMMR “Manangŕna antoko vaovao !”, hoy Roland Ravatomanga


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Nanoloana ny fiantsoan’ny Cnosc azy ireo omaly takariva dia nivory tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara tao Bel’Air ny maraina ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana.

 Nambaran’Atoa Roland Ravatomanga, iray amin’ireo mpitarika ity ankolafy ity, fa tsy manda ny dinika amin’izay fitadiavam-bahaolana hialana amin’izao krizy lavareny izao ry zareo ka nanaiky ny fanasan’ny Cnosc. Amin’ity ankolafy ity anefa dia mazava ny resaka fa tsy misy soso-kevitra vaovao aroso intsony fa efa tany alohan’i Sandton ny fandefasana soso-kevitra.

Nambaran’Atoa Roland Ravatomanga fa ny fampiharana izay tapaka tany Sandton no mety iaraha-midinika ka ny pitsopitsony kely mety tsy hitovizan-kevitra no hitadiavam-bahaolana. Heveriko anefa, hoy Atoa Roland Ravatomanga, fa izay fahatongavan’ny Filoha mirahalahy izay no ho antoky ny fampihavanana tanteraka ka tokony ho avy izy ireo.

Mikasika ny fitsanganan’ny GMMR dia tsotra ny teny nambaran’ity mpitari-tolon’i Magro ity. Voalohany, raha te hanangana antoko na ankolafy vaovao ny fikambanana vaovao manao politika eto Madagasikara dia angamba fahendrena ho an’ny rehetra ny tsy mampiasa ny anarana niaviana fa matoa misintaka dia efa tsy ao anatin’ny antoko intsony izany. Faharoa, efa niaraha-niaina fa tsy maintsy ny «Chef de file» no tompon’ny fanapahana farany ao amin’ny Ankolafy tsirairay. Ka raha ny GMMR dia fantatra fa tsy nahazo alalana tamin’io «Chef de file» io ka tsy tokony hiteny amin’ny alalan’ny Ankolafy Ravalomanana mihitsy. Dia mbola nohamafisiny koa fa raha mitady fankatoavana iraisam-pirenena izany dia ny sori-dalana tokana miainga amin’i Sandton no noraisin’ny SADC ary entin’ny Troika eto. Ny tompon’ny fanapahan-kevitra farany dia ny fivoriamben’ny SADC.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT