Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny filoha Marc Ravalomanana fa taorian’ny nanetsehana indray ny didy fampisamborana azy, sy ny nilazan’ny jeneraly Ravalomanana Richard fa handefa miaramila folo, hisambotra azy any Afrika Atsimo ny FAT.
Omaly ihany dia niditra an-tariby mivantana avy any Afrika Atsimo ny tenany, ary nitafa tamin’ny vahoaka maro tonga tao amin’ny Magro nilaza tamin’ny teny tsotra nefa hentitra, fa “aza misahirana mihitsy ianareo miaramila, polisy na zandary haka ahy aty fa izaho no ho avy any !”. “Tena ho avy aho ary tena hijoro, fa tsy izay zavatra ketrehina etsy sy eroa no hampatahotra ahy”, hoy ny fanamafisany. Tamin’ny tehaka mirefodrefotra narahina hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka tao amin’ny Magro izany, fanambarana izay nampitaina mivantana tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy tamin’ny alalan’ny finday ihany koa. Rehefa izay dia nanome toky ireo mpiara-dia aminy ny filoha Marc Ravalomanana, mba ho tony sy tsy hatahotra, fa mahalala ny zavatra ataony izy. Nambarany fa dia mivory miaraka amin-dry zareo Afrikanina Tatsimo mihitsy izy tamin’io fotoana io. Aminy dia fampihorohoroana ara-tsaina ny vahoaka avokoa izao zava-mitranga izao, ary fantatr’izao tontolo izao ny manao izany.
Mahamenatra ary afabaraka ny Malagasy raha toy izany no ataon’ny olona nanao sonia fifanarahana ary tsy vao indray mandeha fa matetika, hoy Ravalomanana. “Tsy ireo no tompon’ny ny aiko !”, hoy ity farany. Nanamafy koa ny tenany fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy raha tsy manomboka tsara ny tetezamita tena izy. Rehefa izay dia nisaorany manokana ny Profesora Zafy Albert, tamin’ny ampamoaka nataony omaly sy ny fijoroany hatrany amin’ny fahamarinana ary milaza ny zava-misy marina mba hahafahan’ny vahoaka Malagasy misafidy sy mandinika tsara. Nanome toromarika ireo mpiara-dia aminy, ny mpitolona rehetra ary ny vahoaka malagasy koa ny tenany, hanaraka tsara ny tenin’ny filoha Zafy Albert. Efa misy rahateo ny fitoriana nampetrak’ity farany, ka “hamafisiko izany”, hoy i Marc Ravalomanana dia ho hitan’ny havany eo izay nanao inona teto ?
Mandroso rahateo ny fanadihadiana iraisam-pirenena mahaleotena mikasika ny zava-nitranga teto, hoy hatrany ny fanazavany, hahitana izay tena mpanongam-panjakana. Mikasika ilay didy fampisamborana azy, dia tsotra ny fanazavany : “Ianao no maika handeha any amin’ny izay tany mahamaika anao any ka mampitahotra ny olona rehetra”. Mahafantatra tsara ny Afrikanina, ny Eoropeanina sy ny Amerikanina fa tsy azo atokisana, mora mivadika ireny, hoy izy nanohy ny fanazavany. Hampahery anareo sy ny vahoaka malagasy rehetra no iresahako, hoy ny filoha Ravalomanana namarana ny teniny, ka “aza matahotra fa mahafantatra ny ataonay izahay aty ary tsy izaho irery fa miaraka amin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina”.
Nangonin’i Jean D.
Sary : Horakora-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka nangorompotsy tonga tao amin’ny Magro Behoririka ny tenin’i Dada
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.