Simba tao anatin’ny tetezamita ny firenena, ka izay no ezahina harenina satria nanomboka tamin’ny taona 2008,
dia lasa ny olona, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko HVM Rivo Rakotovao manoloana ny fandosiran’ny mpandraharaha sy mpampiasa vola maro teto Madagasikara noho ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana. Izao vao manomboka miverina ireny olona ireny, raha ny fanazavany. Toy izany ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, nihazakazaka tamin’ny fanaovana ny fikaonan-doha tamin’ny mpamatsy vola. Niaiky ny HVM fa nilamina sy nandroso ny firenena talohan’ny fandrodanana an-dRavalomanana ny taona 2008. Taranaky ny tetezamita ihany ny fanjakana ankehitriny, saingy manilika ny lesoka rehetra miseho ankehitriny ho tarazon’ny famotehana. Minia tsy mahalala ve fa na ny filoha ankehitriny aza anie, ka niara-nihinana sy nambotry firenena tao anaty fanjakana tetezamita e ? Samy nanao fanjakam-boalavo tao ihany ka namotika izay sendra azy. Lasa resabe ny fanendrena azy ho loholona, ka nambarany fa miezaka amin’ny fanamarinan-toerana ara-politika sy eo amin’ny andrim-panjakana ny HVM. Politika no atao ary ny filoha dia efa niteny hoe tsy misy fifidianana mihemotra izany eo, hoy izy. Mazava izany fa hanomana ny politika hampandaniany an-dRajaonarimampianina no antony, ary efa resaka mandeha ny hametrahana azy ho filohan’ny Antenimierandoholona, ary dia hiaraha-mahita eo ny tohiny. Mikasika ny resaka propagandy, dia tsy matiny lolo mihitsy ny fihetsiky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Raha mijery an’ingahy Ravalomanana dia vao tafaverina teto izy dia nanao propagandy. Ireny izao dia tsy voateny loatra, fa ny jeren’ny olona amin’io dia ny mpitondra foana, hoy izy. Vao lany izy dia afaka manao propagandy fa lanjalanjaina, hoy i Rivo Rakotovao. Mampiely ny hevitra hitondrany ny fireneny izy satria izy no mitondra. Ny mpanohitra ihany koa dia efa manao propagandy hoentina hamelezana ny fitondrana ka zary lasa mifampihatsaravelatsihy isika amin’io resaka propagandy io, raha ny fanehoan-keviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.