Mitsoka ao an-dapa ny politikam-pisarahana napetrany. Nametra-pialana tsy ho filoha lefitry ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara i Tata Ambroise.
Omaly no nanolorany ny taratasy fametraham-pialany tamin’ny filoha nasionalin’ity antoko eo amin’ny fitondrana ity. “Antony manokana” avy aminy no nambarany fa anton’izao fametraham-pialany izao, raha ny fanazavany nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataony tetsy Tsiadana nanambarany io fametraham-pialany io.
Diso fanantenana i Tata Ambroise na nilaza aza izy fa tsy nisy ny disadisa. Miaiky kosa ny tenany fa misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fanatanterahana ny vina. Tsy azoazony koa ny fahanginan’ny antoko sy ny tsy fisian'ny fifampidinihan’ny mpiray antoko momba ireo tranga maha be adihevitra eto amin’ny firenena ka hitondran’ny antoko ny heviny. Noraisiny ho ohatra ny momba ny volavolan-dalàn’ny fifandraisana, ny harena ankibon’ny tany, ny fizakana ny zom-pirenena, ny fiaraha-miasa amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, ka naleony niala, niova fitana. Efa fambara rahateo ny fahitana an-dry Rakotoson Harotsilavo sy Andrianoelisoa José (José Kely) teo anilany omaly teny Tsiadana. Hanorina antoko vaovao ? Ny ampitso no hilaza azy, fa izao fametraham-pialana mpikambana ao amin’ny birao nasionaly izao dia taratry ny disadisa anatin’ny HVM, miantraika amin’ny fitantanana ny firenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.