Politique

Vaky ny Fonjan’i Toliara Gadra 37 tafatsoaka…


  • Talata 03 Mey 2016

Vokatry ny tandrevaka, nibanaka vaky ny fonjaben’i Toliara ao Bazaribe omaly vao mangiran-dratsy tany amin’ny iray ora tany ho any.

 

Vokatry ny tandrevaka, nibanaka vaky ny fonjaben’i Toliara ao Bazaribe omaly vao mangiran-dratsy tany amin’ny iray ora tany ho any.

Gadra miisa 37 no tafatsoaka, ka enina amin’ireo no voasambotry ny mpitandro filaminana. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra dia mbola karohina kosa hatao hazalambo ireo gadra 31 izay mbola miriaria any rehetra any, ary misy amin’izy ireo no voaheloka noho ny heloka bevava vitany. Raha ny loharanom-baovao voaray hatrany  dia tsy nisy nopitsohana ny gadena nanidy ny vavahady rehetra fa efa nivoha avokoa, ambonin’izay dia maty tampoka ny jiro  talohan’ny fitsoahan’ireto gadra ireto. Mandeha ny resaka fa nisy nanapika mihitsy ny  « compteur » an’ny jiro izay mipetraka ao anaty birao mihidy. Efa misokatra ny fanadihadiana ankehitriny noho izao fahavakisan’ny fonjaben’i Toliara izao izay marihana fa ao am-povoan-tanàna. Nezahana ny nikaroka sy naka ny feon’ny mpiandry fonja saingy tsy mbola misy mety miteny izy ireo hatry ny omaly alina. Ny depiote iray voafidy tany amin’ny faritanin’i Toliara kosa no nanaiky naneho hevitra ka nanambara fa vokatry ny familafilana tafahoatra sy ny antsojay ary ny ramatahora isan’andro ataon’ny mpitondra fanjakana ambony amin’ny mpiasa madinika no mahatonga ireto farany miraviravy tanana amin’ny fanatanterahana ny asany ka mahatonga ny zava-doza toy izao. Mafampana rahateo moa ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, eo ireo fitakiana sy grevy maro samihafa, anisan’izany ny an’ny mpiambina fonja, ka asa raha misy fifandraisany amin’izao fitsoahana gadra tany Toliara izao izany. Manaratsy endrika hatrany ny fitondrana HVM izao tranga izao ary mampitombo isan’andro ny tsy fahatokisan’ny olona azy. Ny olan’ny sendika tsy voavaha, ny taksibe manao ny ataony mamono olona dia io fa vaky indray ny fonja, toy ny totoim-bitana ilay fitondram-panjakana. Rehefa dinihana anefa dia noho ny tsy fanana paikady mazava hitantanana ny firenena sy ny tsy fananana vina sy finiavana ara-politika no tena mampimpongatra ny olana rehetra.

Eric R sy Andry Ratovo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT