Politique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

 

izay naneho ny alahelony manoloana ny fifampitondrana eo amin’ny samy mpanohana ny filoha Rajoelina. Isika teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, dia efa nanoratra sy nitatitra momba io toe-javatra io ny 26 septambra teo tamin’ny alalan’ny lohateny lehibe hoe: “Politika Avo lenta Voailika ireo tena nanohana an-dRajoelina…”. Roapolo andro aty aoriana, vaky ambatolampy ny resaka. “Raha misy olona namono tena ho fanohanana ny filoha Rajoelina dia Rossy sy Raholdina no lohalaharana. Boriborintany roa ihany no naharesy an-dRavalomanana teto Antananarivo Renivohitra. Tsy mba nahazo ny fankasitrahana mendrika azy anefa izy mandrak’ankehitriny fa filam-baniny indray aza no mahazo azy. Koa mampita hafatra aminareo mpitarika ny MAPAR aho, aza atao an’izao ny namana fa tsy rariny sy tsy hitsiny. Aza atao an’izao ny namana fa malahelo ny mpanohana azy, ny namany ny vady aman-janany ka tsy ho zakanareo ny alahelonay. Miarahaba sy mankahery ny namako Raholdina tratry ny tsingerin-taona nahaterahany androany ary mba enga anie hisy vaovao tsara sy sofina mandre izao sintona lakolosy farany ataoko izao, izaho namany niaritra ny mafy rehetra saingy mahatsiaro ho anjorom-bala. Courage ialahy bainina fa tsy fahafirin’ny efa niainantsika io ah !” Io no hafatra nataon’ny Depiote Rossy, ary mbola nisy aza hoe: “Mandreraka ahy ireto hoditr’akondro mpanara… ny filoha ireto tsy manan-katao afa tsy hanao selfie ! Hé ndeha miakatra “plateau” arovy izy fa wawasa be ny adva-ny ato nareo variana manara…azy any”. Nalaza ho efa saika hailika tsy ho kandida ny depiote Rossy talohan’ny fifidianana depiote. Nailika tamin’ny ora farany tsy ho filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena avy amin’ny Faritanin’Antananarivo. Toa mifandipandipatra amin’izao fotoana izao ny fiarahana eo amin’ny samy olona akaikin’ny filoha, ka misy ny mahatsapa ho anjorom-bala, ary misy ny miezaka mipasoka daomy any an-dapa maka ny fon’ny filoha. Ny ao anaty fanjakana toa mifamely, ny aty ivelany ihany koa mbola maro ireo raharaha mafana mila halamina : krizin-jiro sy rano, raharaha Ambohitrimanjaka,… Mbola adidy goavana ny fandaminana ireo samy namana ao anaty fanjakana mifamango raha hilamina. Tena manomboka vaky tanteraka ny sambo 9 volana nitondrana. Ny tao anaty fanjakana Rajaonarimampianina ny taty ivelany no niezaka namaky ny sambo dia ny TGV-MAPAR nanomboka ny 2014, ary taty amin’ny fifidianana filoha vao tena niparitaka fa ity fanjakana IEM ity toa aty am-boalohany dia efa mifamango. Misy ny efa mijery lavitra sy toa mampiseho an-kolaka fa haka ny toeran’ny filoha no tanjona sy mangeja na manao “verouillage” azy tanteraka. Mety manana ny kajiny ihany koa anefa i Andry Rajoelina ary tsy hanaiky lembenana ny mety fikatsahana hanao azy saribakoly sy hanilika amin’ny fomba mihaja. Mafana ny raharaha !

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT