Tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra fa mihorohoro ny mponina noho ny fakana an-keriny, ny fanafihana mitam-piadiana, ny faty olona hita mitsirara etsy sy eroa, tahaka ilay tetsy Masay.
Nitondra ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy izay mikaikaika noho ny tsy fandriampahalemana ny Solombavambahoaka. Miandry fatratra ny fanenjehana anatin’ny 5 taona ny tsy vita hatrizay izy ireo. Kanefa very fanahy mbola velona raha ny trangam-piarahamonina tato ho ato.
Vao omaly no nahitana fatim-behivavy teny amin’ny manodidina ny Farihin’i Masay. Tsy mahagaga raha “Vono olona, fanafihan-jiolahy, fakana takalon’aina, asan-dahalo, halatra lavanila sy voly fanondrana” no litanian’ny Solombavambahoaka nandritra ny tafa tamin’ny praiminisitra omaly. Ny ankamaroan’ireo 63 mpandray fitenenana tao Tsimbazaza dia resy lahatra fa miraviravy tanana ny ankamaroan’ny mponina, noho ny asa ratsin’ireo malaso manerana ny nosy. Manginy fotsiny ny fakana an-keriny miseholany etsy sy eroa tato ho ato. Na ny fitondrana foibe sy ny mpanatanteraka aza nahatsapa izany. “Fantatry ny mpitondra fa ny fandriampahalemana no antoky ny fampandrosoana. Omen’ny fitondrana mijoro lanja io ady amin’ny tsy filaminana io. Izay indrindra no nahatonga azy ao amin’ny pejy faharoa amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana na PGE “Politique Générale de l'Etat”, hoy ny ampahan-tenin’ny praiminisitra, Christian Ntsay, raha namaly ny ezaka efa hatao izy.
Misy tamin’ireo Solombavambahoaka no nangataka fepetra azo tsapain-tanana avy hatrany, tahaka ny fanadihadiana lalina sy sazy ho an’ireo atidoha mikotrika sy tsimatimanota ary dahalo ambony latabatra. Nitondra valiny tandrify izany ny praiminisitra nandritra ny tatitra manoloana ireo tandapan’i Tsimbazaza. “Handefasana mpitandro filaminana ny Faritra anjakan’ny dahalo sy ny kidnapping. Hotanterahina ato ho ato ny fampitaovana ny mpitandro ny filaminana tahaka ny angidimby. Hofanina izy ireo amin’ireo faritra irotsahana manokana ho amin’ny fandriampahalemana. Hatsangana tsy ho ela ny rafitr’asa entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Hanangana fonja vaovao ho an’ireo jiolahy mahery vaika. Hohamafisina ny fiarovana ny sisintany sy ny habakabak’i Madagasikara”, hoy ny praiminisitra Christian Ntsay. Efa sasa-miandry ny vahaolana tena izy sy maharitra ny vahoaka ka manantena ny kabary sy ny fampanantenana hivadika asa.
Fialana bala
Efa madilo ny sofina rehefa mahazo sehatra ny mahazo fitondrana amin’ny fanilihana andraikitra fa : “Misy ambadika politika io e !”. “Tsy vao izao no nisy ny fanafihana mitam-piadiana”. Miandrandra fatratra ilay ho fanenjehana anaty 5 taona ny tsy vitan’ny mpitondra hatramin’ny Fahaleovantena ny vahoaka. Mahalasa saina ny mpanara-baovao matetika ny fisian’ny fifanoherana anaty fehezan-teny hoe : “Nampahantrain’ny mpitondra teo aloha ny Malagasy, hofoanantsika ny fanafihan-dahalo hatrizay”. Kanefa ireo mpitondra rehetra tato ho ato dia efa nanana andraikitra ambony teto amin’ny Firenena, tahaka ny minisitra tamin’ny Repoblika voalohany, ny minisitry ny Tetezamita, ny lehiben’ny Andrim-panjakana tany aloha no lasa filoha teto amin’ny firenena. Moa ve raha milaza izy ireny fa “ny mpitondra hatrizay no nampahantra ny Malagasy”, ary “henjehintsika ny tsy tratra hatrizay”, tsy mamely tena ihany izy ?
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.