Politique

Vakinankaratra Hametraka ny olony ny HVM ?


  • Zoma 20 Jona 2014

Hifandrotehana ankehitriny ny fitarihana ny HVM Vakinankaratra hatramin’ny nitsanganan’ity Antokon’ny mpitondra vaovao ity.

Saika ireo mpanohana sy nitarika tamin’ny fampielezan-kevitra ihany mantsy no nikendry ny hitarika izany amin’izao fotoana saingy tsy mbola nankatoavin’ny foiben’ny antoko izany. Ny talata 17 jona teo aza dia nambara fa foana ireo ankolafy rehetra nisora-tena ho mpitondra fanevan’ny HVM Vakinankaratra teo aloha. Tsy misy antokon’ olona na ankolafy hisora-tena hanendry olona na haniraka olona na hanolotra olona na hisolo tena olona amin’ny anaran’ny HVM Vakinankaratra manomboka izao ary tsy hisy feo na olona hiteny amin’ny anaran’ny antoko intsony raha tsy mijoro ny birao mitantana izay hapetraky ny foibe. Ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostrian’i Vakinankaratra no nitarika ity fihaonana miendrika fampihavanana ity, ka samy manontany tena ireo mpivory hoe misora-tena ho mpitarika ny HVM indray koa ve izany izy ? Efa nahoraka mantsy teo aloha ny filazana fa hapetraka ho mpitantana ny tanànan’Atsirabe ity filohan’ny Antenimieran’ny Varotra ity ka na ho PDS io na ho Lehiben’ny Faritra ka asa na misy hifandraisana amin’izany ny nitranga tato ho ato. Tantara mitohy vaovao indray koa ity izany !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT