Vakinankaratra

> Tafapetraka ny lehiben’ny faritra vaovao


  • Alarobia 25 Septambra 2013


Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny tolakandron’ny talata 24 septambra ny Lehiben’ny faritraVakinankaratra vaovao dia Atoa Andriamasimanana Samuel Bertin. Nambaran’ity farany fa mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hatramin’izao ka tsy ho olana ny hampandrosoana an’i Vakinankaratra. Delegasiona mafonja nahitana ny Minisitry ny Atitany sy ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Minisitry ny varotra no nanotrona ity lanonam-panjakana ity, izay natao teo anoloan’ny Tsangambaton’ny fahaleovantena. Notolorana mariboninahi-pirenena “Commandeur de l’Ordre National” nandritra izany ny lehiben’ny faritra vaovao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT