Tamim-pirahalahiana tanteraka no nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra teo aloha, Atoa Razanakolona Paul sy ny vaovao Atoa Andriamasimanana Samuel Berthin, Administratera sivily, ny tolakandron’ny talata 13 aogositra 2013. Nilaza Atoa Razanakolona Paul fa tsy vaovao aminy ity lehiben’ny Faritra vaovao ity fa efa Sekretera jeneralin’ny Faritra niara-niasa taminy saingy nisy ny tsy nifanarahana ka “nataoko izay nialany teto ary izao indray dia nataony izay nialako teo”, hoy izy tamin’ny teny nahitsy. Tsy olana anefa ny fifandimbiasan-toerana hoy izy ary tsy tokony hatao handravana ny fihavanana izany. Tsy niresaka be ny lehiben’ny Faritra vaovao fa amin’ny maha teknisianina azy dia ny asa fampandrosoana avy hatrany no nambarany fa himasoany indrindra ny fitantanana ny rano, ny lafiny fizahantany ary ny tontolo ambanivohitra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.