Niakatra ny maripana teny amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 03 desambra lasa teo.
Efa tamin’iny herinandro iny no nisy zavatra niotrika tany amin’ireo mpitolona sasany, nanoloana ny fidiran’ny ankolafy Ravalomanana ho anisan’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy (CT) sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Vitan’ny fifanazavana tsotsotra ihany izany hatramin’izay fa ny tamin’ny sabotsy teo kosa dia tena nafana ny adihevitra. Nisy rahateo taratasy novakian-dRtoa Lalatiana Ravololomanana, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Taratasy nosoniavin’ny profesora Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary i Monja Roindefo, nalefa tany amin’ny mpitarika ny iraky ny Troika dia ingahy Marius Fransman. Raha ny votoatin’ilay taratasy amin’ny ambangovangony dia maneho ny tsy fankasitrahana ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny CT sy CST noho ny hamaroany be loatra ka manainga ny Troika hijery izany akaiky. Eo koa ny fanakianana ny fisiana anjara manokana giazan’i Andry Rajoelina nefa tsy voafaritra ao anatin’ny sori-dalana sy ny fitsinjarana mitanila satria takian’ireto ankolafy nanao sonia izany taratasy izany ny tokony hitazonana ho antsasany antsasany ny an’ny mpomba ny FAT sy ny mpanohitra. Manamarika ihany koa ilay taratasy fa dia giazan’ny filohan’ny FAT ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Araka izany raha nandaha-teny ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert, anisan’ireny ny depiote Camille Mektoub sy Lalatiana Ravololomanana dia nilaza fa firaisana tsikombakomba amin’i Andry Rajoelina ny fidirana ao amin’ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao. Tetezamita tena izy, tsy miandany no hapetraka, hoy Rtoa Ravololomanana. Mazava ny tenin’ny profesora Zafy Albert, hoy izy fa izay miara-komanana amin’i Andry Rajoelina ao dia tsy ankolafy Zafy Albert intsony fa efa lasa TGV.
Takian’ity ankolafy ity ny hisiana fihaonana an-tampony eo amin’ireo lehibena ankolafy, izany dia midika ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, hoy ihany Rtoa Lalatiana Ravololomanana na dia efa nisy fotoana aza niteny ity farany fa tsy laharam-pahamehany ny hampody ity sesitany any Afrika Atsimo ity. Nohamafisin’i Mektoub moa fa dia nanafatra ny profesora Zafy Albert fa tsy mahazo miditra ao amin’io fitondrana io ny ankolafy Zafy raha mbola amin’izao endriny izao ary raha tsy tafody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana. Tehaka nirefodrefotra moa no nandraisan’ny vahoakan’i Magro izany lahateny rehetra izany. Rehefa vita ny teny tiana natao dia nandao ny kianja ireo solontenan’ny ankolafy Zafy Albert nanao bemidina teny an-kianja, izay nilaza fa mbola hamonjy fivoriana.
Nandray fitenenana kosa ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia horakoraka sy siotsioka no andraisan’ireo vahoaka azy ireo ary dia nitaky ny fialan’izy ireo ao anatin’ireo rafitra ireo ny ampahany tamin’ireo mpiara-dia. “Tsy izahay ankolafy Ravalomanana no nametraka ny praiminisitra Beriziky”, hoy i Manoela izay aniisan’ny voatendry ho CT. Hafatra no ampitaina ho an’ny ankolafy Zafy Albert, hoy izy mba hoentina any amin’ny profesora ny amin’ny tokony hanerena ity olona notendrena, mba hampihatra ny sori-dalana, toy ny fodiana tsy misy fepetra an’ireo sesitany politika, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanalalahana ny haino aman-jery rehetra. Nohamafisin’ny depiote Rodin Rakotomanjato moa fa dia manome herinandro ny praiminisitra Beriziky izy ireo hanatanterahana izany. “Rehefa ny filoha Ravalomanana no miteny aminay hoe miala izahay dia miala !”, hoy kosa i Guy Maxime Ralaiseheno. Hiady ho amin’ny fampiharana antsakany sy andavany ny sori-dalana no alehanay ao, hoy izy ka raha izahay no hamadika ny tolona dia azonareo tapahina ny lohanay, araka ny Dina Menavozo izay hitanay amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana iny, ho an’ireo mpamadika. Nambarany koa fa hangataka ny amin’ny tsy tokony handrasian’ireo CT sy CST karama ny tenany ho tena mariky ny fitiavan-tanindrazana. Ho valin-kafatra ho an’ny ankolafy Zafy Albert moa dia nambarany fa niaraha-nanatitra ny lisitr’ireo ho minisitra tamin’ny fotoan’androny ka tsy tokony hodisoina ny tantara.
Nilaza koa ny tenany fa “Asaivo miala i Beriziky raha toa ka tsy eken’ny profesora Zafy Albert tokoa”. Raha ny zavatra hita teny amin’ny Kianjan’i Magro ny sabotsy lasa teo dia hita fa leon’ireo mpamadika palitao ny vahoaka ka mailo sy saro-piaro amin’ny tolona ataony. Taratara ihany koa ny tsy fisian’ny firindrana fiaraha-maisa eo amin’ireo ankolafy mandrafitra ny Rodobe, araka izay efa notsindrian’ny senatera Rakotoamboa Jean Louis matetika. Hany ka mampisavorovoro ny saim-bahoaka sy toa manamarina ny tenin’ireo mpanohana ny FAT fa tsy afaka hiara-miasa fa “Alliance Contre Nature” ireo, izay tsy fahampian’ny fanazavana sy izay tsy firindran’asa izay.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.