Politique

Vahoakan’i Soamahamanina “Tsy mila Sinoa izahay”


  • Zoma 15 Jolay 2016

Raikitra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny mponina tany Soamahamanina omaly.

 Nidina an-dalambe ny olona nihazo ny biraon’ny kaominina, nirefotra ny lakrimozenina, tapaka tanteraka ny lalam-pirenena voalohany, olona iray no voasambotra. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia nalain’ireo mpitandro ny filaminana ny sorabaventy izay napetraky ny olona isan-tokantrano teny amin’ny varavarankely, nanehoan’izy ireo ny tsy fankasitrahany ny fitrandrahana ataon’ilay orinasa sinoa Jiuxing Mines any an-toerana.

Nisy mihitsy ny fihanihana lavarangana mba hanalana ireo sorabaventy isan-tokantrano. Vokany, tezitra ireo mponina ka nivondrona hanohitra ny fihetsiky ny zandary, izay toa nitory fihantsiana. Raikitra ny sakoroka sy ny tora-bato ary nirefotra ihany koa ny baomba mandatsa-dranomaso. Olona iray no voalaza fa voasambotra. Tsy nanaiky mora fotsiny ny vahoaka ka nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny kaominina nanery ny hamoahana ny naman’izy ireo sy ireo lamba misy soratra. Nobahanan’izy ireo ny arabe sady noredoniny ny hiram-pirenena. Tsy nanaiky hanaovana fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana, ka raha vao mahita mpanao gazety dia mitsoaka sy mifindra toerana. Nisy ihany koa ny olon-tsotra voasakana ka tsy navela naka sary. Nafana ny toe-draharaha tany an-toerana io omaly io ary hita fa tena tezitra ny vahoakan’i Soamahamanina manoloana ny fihetsika tsy voahevitra nataon’ny zandary, izay fihetsika midika avy hatrany ho fombana na fiarovana ireo Sinoa, hoy ny olona tany an-toerana. Manamafy anefa izy ireo fa tsy hanaiky amin’izao bodongerona sy amboletra izao ary tsy azo ekena ny famotehana ny alan-tapia izay voasokajy ho faritra voaaro sy ny tontolo iainana any amin’iny faritra iny, tsy mila Sinoa izahay hoy ny sora-baventy hita. Mampametra-panontaniana ny maro ity raharaha Soamahamanina ity hoe : taiza ary oviana marina no nahazoan’ny Sinoa azy ? Ohatrinona ny vola naloa ? Misy tambiny inona ihany koa ? Iza no nanome alalana ? Volamena marina ve no trandrahana ao sa misy zavatra hafa ? Ary tsy mahafantatra io olana io ve ny filoham-pirenena no tsy mijoro mandray andraikitra rehefa tsy mahavita azy ny tompon’andraikitra hafa eo ambaniny. Sa marina tokoa ilay hoe efa nanapi-maso vola be ny Sinoa ka mody fanina daholo ny manampahefana fa dia avela miady irery eo ny vahoaka ? Ny mpitantana avy amin’ny Fiangonana Katolika avy ao amin’ny Diosezin’i Miarinarivo moa dia miantso ny fitondram-panjakana mba hihaino ny feon’ny vahoaka ka hampitsahatra avy hatrany io fitrandrahana ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina io.


Toky R sy RTT 

        

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT