Politique

Vahoakan’i Miandrivazo Miandrandra an’i Dada eo amin’ny fitondrana


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Tafahaona ny tia sy ny manina tany Miandrivazo ny sabotsy teo. Nidina tany an-toerana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka hafaliana tsy omby tratra ny an’ireo vahoaka maro be nandritra ny fitsidihana nataony.

 

Feno hipoka ny tranompokonolona nisian’ny fihaonana. Io rahateo no fihaonana voalohany nifanatrehany indray tamin’ny vahoakan’i Miandrivazo, taorian’ny niverenany an-tanindrazana. Nifantoka betsaka tamin’ny fanomezana toromarika ho an’ny vahoaka, fanentanana, ary ny fanarahana fitsipika amin’ny fifidianana ny votoatin-dresaka satria ireo no antoky ny fahombiazana. Saika izay toerana aleha sy tsidihin’i Marc Ravalomanana moa dia miandrandra fatratra ny hiverenany eo amin’ny fitondrana, hanarina ny firenena latsaka ankaterena ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT