Politique

Vahoaka sy ny mpitondra Samy manana ny manahirana azy


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Raha atao indray mijery, tonga amin’ilay fitenenana hoe samy maka ho azy ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny. Tsy hita taratra intsony ny rafitra mpitondra sy vahoaka fa samy manana ny manahirana azy ny roa tonta.

Miha lalina hatrany ny hantsana manasaraka ny mpitondra sy ny entina. An-daniny, variana sy donton’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny vahoaka. Raha efa mampikaikaika ny vidin’ny arina fandrehitra, ho avy hanampy trotraka izany ny fiakaran’ny vidin-jiro, ny fisondrotry ny saran-dalana, ny ho fanomanana ny fidiran’ny mpianatra amin’ny taom-pianarana ho avy. Eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana izay tsy mety voafehy na mihena fa dia miha mahazo laka andro aman’alina. An-kilany, ny mpitondra dia miadam-pinaritra amin’ny trano tsara tarehy, mirentirenty amin’ny fiara raitra, fihetsika toa maneso ny vahoaka madinika izay milomano tanteraka ao anaty fahantrana. Ny hany manahirana azy ireo dia ny hoe: ahoana ny fomba hiatrehana ny fifidianana manaraka ka hahafahana mihazona ny seza efa eo am-pelantanana? Iaraha-mahita rahateo ny kajikajy politika isan-karazany izay misy amin’izao fotoana izao, hany ka minia jamba na tena tsy mahita ny vahoaka izay efa mandohalika izy ireo fa variana amin’ny kajikajy malotony.

                                                                                              Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT