Politique

Vahoaka sy Malagasy Teny filalaon’ny mpanao politika


  • Alarobia 13 Jolay 2016

Raikitapisaka amintsika eto Madagasikara mihitsy izany ankehitriny fa ny atao hoe politika dia fiadiana seza sy fifikirana amin’izany.

 

Hany ka lasa maro ireo marivo salosana mora voasarika hanao mpikarama an’ady politika ka sahy manimbazimba ny teny hoe “Vahoaka”  sy “Malagasy” na “eto Madagasikara” rehefa manao fanambarana mikasika ny fanohanana na fanoherana an’izatsy sy izaroa. Adino tanteraka ilay famaritana fahagola izay mifototra amin’ny hoe natao hikatsahana izay mahasoa ny vahoaka ny politika. Tamin’ny alatsinainy teo izao dia nisy andiana mpanao gazety vitsivitsy nilaza fa ny mpanao gazety eto Madagasikara dia manohana ny lalàna vaovao mifehy ny serasera. Marina fa tsy ny mpanao gazety rehetra izay an’arivony eto Madagasikara no mitaky ny fiverenana amin’ny fahalalahana hiteny fa ny ankamaroan’izy ireo ihany kanefa dia samy ampahany amin’ireo mpanao gazety eto Madagasikara avokoa na ny an-daniny na ny an-kilany. Vara-datsaka ho an’ny fitondrana ankehitriny ve ny fanambarana nataon’ireo mpanao gazety iraisampirenena izay milaza fa manohana ny hetsiky ny mpanao gazety malagasy amin’izao fotoana ka nampipoitra tampoka ireo mpanao gazety vitsivitsy voalaza teo ireo ? Milaza ankehitriny ny fitondrana fa efa mila fitoniana ny vahoaka malagasy nefa mba efa nametra-panontaniana ve izy ireo raha hitondra fitoniana na tsia ny amboletra lavareny ataon’izy ireo eto ?


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT