Ela ny ela fa tafiditry ny VAMI na ny Vahoaka Miray ny Kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo omaly talata raha anisan’ny toerana iray tena ambenana sy arovan’ny FAT mafy izy io.
Fidirana izay tsy nitarihana hetsi-bahoaka toy ny niadivan’ny mpandala ny ara-dalàna hatramin’izay akory fa fandaminana noraisin’ny VAMI nandritra ny fizarana fanomezana ho an’ireo olona sahirana vokatry ny krizy. Ho fiarovana ny tombontsoan’ny rehetra ateraky ny mety fanelingelenana eny amin’ny arabe no nahatonga ny VAMI nandray izao fanapahan-kevitra izao. Na izany aza anefa minitra vitsy monja taorian’izay dia nisy nampandre ny Emmo-Reg ary nifampiresaka tamin’izy ireo. Kamiao lehibe roa feno mpitandro ny filaminana sy fiara 4x4 telo no tonga saika hanala ny VAMI tao saingy rehefa nahalala izy ireo fa fikambanana mpanao asa soa ny VAMI dia nanajanona ny fampiasan-kery saika hataony.
Toy ny mahazatra moa dia teny Ankadifotsy, Antsahavola, Ambohijatovo, Ambanidia ary Ankazotokana indray no nanohizan’ny VAMI ny fizarana fanomezana sy sakafo maivana ho an’ny vehivavy sy ny ankizy omaly. Mikasika ny fahatongavan’ny vadin’ny filoha Ravalomanana teto an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo nefa tsy neken’ny FAT dia nanambara tamin’ny alalan’ny filohany, Rija Rakotomalala ny VAMI fa manameloka amin’ny heriny rehetra ny fihetsika tahaka ireny. Ho an’ny VAMI mantsy dia olom-pirenena Malagasy feno Rtoa Lalao Ravalomanana ary tsy misy lalàna manasazy azy ka tokony homena ny zony feno. Mikasika ny fihaonan’ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT indray moa dia nanambara ny VAMI fa tokony ho eto an-tanindrazana no hanaovana io fihaonana io raha mbola averina indray. Tsy tokony ho ny vahiny mantsy no hanome ohatra antsika Malagasy amin’ny resaka fihavanana ho an’ny VAMI ihany satria anisan’ny kolontsaina mampalaza antsika izany ary hideran’ny firenena maro antsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.