Tsy milamina ary tsy hilamina mihitsy ny tany raha tsy miverina eto an-tanindrazana i Dada, hoy ny Vahoaka Miray na VAMI.
Hatramin’izay nisian’ny krizy tamin’ny taona 2009 izay mantsy dia tsy mitsaha-mitotongana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy izay mihalalim-paka hatrany, araka ny fahitan’ny VAMI azy ihany. Eo an-danin’izay anefa dia zara raha misy ireo mpanao politika mahalala ny tokony hataony hanampiana ny vahoaka, antony mahatonga ny VAMI miezaka mitondra fanampiana hanalana fahasahiranana ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Teny Ankorondrano, Ankazomanga sy ny manodidina indray no nitondran’izy ireo fanampiana ho an’ny ankizy madinika sy ny Renim-pianakaviana omaly alarobia 08 aogositra.
An-jatony ireo nahazo tombontsoa tamin’izany ka ankoatra ireo nampihinanina sy nizarana sakafo maivana dia nisy ihany koa ny fitetezana ireo toerana fanasan-damba nizarana savony ho an’ireo nanasa lamba. Efa an’arivony hatreto ireo nahazo fanampiana tamin’ny VAMI hatramin’ny nanombohany ny hetsika, iray volana mahery izao raha tsiahivina. Mbola hitohy hatrany izany, araka ny fanazavan’ny filohany Rija Rakotomalala ho fanohanana ny mpiara-belona amin’izao krizy lavareny lalovan’ny firenena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.