Politique

Vahoaka Miray Miandrandra ny filoha Ravalomanana hitondra vahaolana


  • Talata 03 Janoary 2012

Mitaky tsy misy fepetra ny hamelana ny filoha Ravalomanana hody eto an-tanindrazana ireo mpikambana mivondrona ao anatin’ny fikambanana Vahoaka Miray na ambalambahoaka rafitra Malagasy sy ny soatoavina.

Nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Magro Behoririka no nahafantarana izany ny sabotsy 31 desambra lasa teo. Efa tena mahantra loatra mantsy ny vahoaka Malagasy, latsaka an-katerena ny firenena, tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ny firenena, anisan’ireny ny fandriampahalemana. Tsy zaka intsony ny vidim-piainana, hoy ihany izy ireo ka izany no antony hitakiany izao fiverenan’ny filoha Ravalomanana izao. Efa natao avokoa ireo karazana famahana olana rehetra, hoy izy ireo, saingy tsy nisy nitondra tombontsoa ho an’ny firenena Malagasy sy ny vahoaka ao aminy izany hatreto. Manoloana Ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana ihany no hitan’ity fikambanana iray ity fa vahaolana hivoahana amin’ny krizy eto amin’ny firenena. Ankoatra izay, takian’ity fikambanana ity ihany koa ny hamoahana ireo gadra politika, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona ary ny fahafahana miteny. Handray ny andraikiny moa ity fikambanana ity raha toa ka tsy tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy ireo araka ny nambaran’ireo mpitarika ao aminy. Nisy ny fiantsoany ny vahoaka rehetra mba hiray hina mandritra izany, anisan’ireny ireo mpiasam-panjakana, tsy miankina, ny mpianatra, ny foloalindahy, ny mpivarotra ary ny mpitatitra.

Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT