Politique

Vahoaka Miray Maika ny fiverenan’i Dada


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Tena maika ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ho an’ny VAMI na ny Vahoaka Miray hahafahana manavotra haingana ny firenena.

 Tafiditra ao anatin’izany, hoy ihany ny VAMI ny famerenana amin’ny laoniny ny fanajana ny zon’olombelona izay tsinontsinoavin’ny fitondrana misy amin’izao fotoana toy ny fanenjehana na famonjana ireo olona tsy mitovy hevitra aminy. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fandriampahalemana izay nirongatra tanteraka hatramin’ny nanaovan’ny fitondrana amin’izao fotoana fakana an-keriny ny fanjakana nijoro tamin’izany fotoana teny an-dalam-be… Nandritra ny valandresaka narahina adihevitra izay notontosain’izy ireo teny amin’ny EKAR Faravohitra no nivoiran’io fanambarana io izany ny sabotsy 18 febroary teo. Hetsika natrehin’ireo fikambanana maro samihafa izay manohana ny fiverenan’i Dada eto an-tanindrazana. Nisy nandritra izany ny fanentanana nataon’ny VAMI sy fampahafantarana ny olon-drehetra ny zo tokony hananany toy ny hoe : manan-jo hiasa ny olona rehetra raha mifanohitra amin’izany ny zava-misy ankehitriny. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fampahafantarana marina ny atao hoe : demokrasia izay mbola nataon’ny VAMI ihany. Dradradradraina hatrany, hoy ny VAMI fa mandala ny demokrasia ny fitondrana FAT nefa na ny fahafahana miteny aza tsy misy eto amintsika raha mbola manoatra lavitra noho izany ny fanakanana ireo antoko na fikambanana te haneho ny heviny etsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo izay nampitondraina ny anarana Kianjan’ny demokrasia nefa tsy azo ampiasaina. Tena maika, araka izany, ho an’ny VAMI ny fiverenan’i Dada eto an-tanindrazana mba hahafahana manarina izany rehetra izany. Antso avo no hatao amin’ireo teratany Malagasy tonga saina rehetra mba hijoro sy hanohitra ny tsy rariny hataon’ny fitondrana FAT.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT