Tsy nanaiky ny vahoaka omaly raha tsy nampidirina tao amin’ny kianjan’i Magro ny mpitarika ny VAhoaka Miray na dia niezaka mafy nanakana azy ireo tsy hiditra aza ireo mpiandraikitra ny filaminana teny an-toerana.
Nilaza Rakotomalala Rija fa an’ny vahoaka rehetra nitolona ho an’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana ny kianjan’ny Magro. Tena zanak’i Dada ireo olona sakanana ireo ary nanatrika ny tolona niombonana hatrany Ambohijatovo, Magro Ankorondrano, Mahamasina, Anosikely ary hatreto Behoririka. Tsy miova aminay ny tanjona, hoy ny VAhoaka MIray dia ny fitakiana ny hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra ary maika dia maika sady tsy manaiky ihany koa ny fitondran’ny mpanongam-panjakana ny tany sy fanjakana. Vonona ny hitsena mavitrika an’i Dada amin’ny herinay manontolo izahay, hoy ihany Rakotomalala Rija, ary izahay dia tsy hihemotra amin’ny efa nambaranay fa ny baiko avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ihany no raisinay. Dia mbola nahazo tsindrom-paingotra malefadefaka avy tamin’ireo nandray anjaram-pitenena tao an-kianja tokoa noho izany, omaly, ity fikambanana ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.