Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo mponina teny Ankorondrano sy ny manodidina omaly alatsinainy 9 jolay ny fikambanana Vahoaka Miray notarihin’ny mpitondra teniny, Rija Rakotomalala.
Mba hahafahana manamaivana ny fahasahiranam-bahoaka noho ny fitarazohan’ny krizy no antony nanosika ity fikambanana ity hanao izany. Nomarihin’ny mpikambana fa hitohy any amin’ireo Fokontany rehetra mandrafitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izy ity. Madagasikara iray manontolo no tanjon’izy ireo saingy mialoha izay dia miantso ireo tompon’andraikitra amin’ny famahana ny krizy izy ireo mba hanafainganana izany. Nambaran’ny VAMI fa tsy tokony hisy ny sakantsakana hatao amin’ny hafa toy ny tsy fahafahan’ny filoha Ravalomanana mody eto an-tanindrazana raha tiana hivaha haingana ny krizy. Tokony havela hampiasa malalaka ny zony ny tsirairay avy, hoy ihany ny VAMI ka avela hirotsaka hifanandrina amin’ny fifidianana izay rehetra sahy ka izay lanim-bahoaka no aoka hitondra.
Nambaran’izy ireo ihany koa fa raha toa ka tsy mahavita ny filohan’ny FAT dia tokony hiala satria efa telo taona izao izy no nitondra saingy tsy mbola nahitana mangirana na dia kely aza. Hiantefan’ny antso koa ireo mpanelanelana izay marihina fa somary mihanahana ihany amin’ny famoahana ny daty sy ny toerana tokony hanatanterahana ny fihaonan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Tsara ny manamarika fa vahoaka an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’ity fanampiana nataon’ny VAMI ity omaly. Nizarana sakafo maivana ny ankizy raha notolorana savony hanasan-damba kosa ny renim-pianakaviana. In-droa isan-kerinandro moa no hanaovan’izy ireo izao hetsika izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.