Politique

Vahoaka mifidy “Anjarany no misafidy tsara fa tsy hivaro-tena”


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Manana andraikitra goavana amin`ny fampandrosoana ny kaominina sy mpanolotsaina amin`ny maha vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana akaiky amin`ny vahoaka azy ireo.

 

 

Tokony hahay hifidy ny vahoaka Malagasy ary ny vinam-pampandrosoana sy tetikasa hoentin`ny kandidà no tokony hifidianana azy, hoy i Gerard Noel Ramamimampionona, filoha lefitry ny Komitin`ny Fampihavanam-pirenena (CFM). Amin`ny alalan`ny fifidianana no hanomezan`ny vahoaka fahefana ho an`ny olona iray ary hametrahany fitokisana hitantana ny tanàna misy azy mba hiteraka fampandrosoana eny ifotony. Eo amin`ny sehatra maro samihafa no tokony hojeren`ny olona vao mifidy ho ben`ny tanàna. Nilaza hatrany izy fa misy fahefam-panjakana ao anatin`ny fitantanana ny tanàna ka tokony hijery tsara ny fandriampahalemana, fahasalamana, fahadiovan`ny tanàna. Ny ben`ny tanàna rahateo dia  raiamandreny ka tokony hahay miserasera, mahalala ny mararin`ny vahoaka, mahalala ny laharampahamena ary tsy maintsy miara-miasa amin`ireo mpanolotsaina. Nohamafisiny koa fa manana andraikitra amin`ny fanentanana ny fiarahamonim-pirenena amin`ny maha zava-dehibe ny fifidianana kaominaly. Notsipihany kosa fa anjaran`ny vahoaka raha ben`ny tanàna tsy ilana azy no mitondra ny tanàna ary tompon’andrakiitra voalohany ny vahoaka. Hentitra no nilazany hoe anjaran`ny vahoaka no misafidy tsara fa tsy hivaro-tena. Rehefa ny kaominina no tsy misy fandrosoana dia tsy hisy fandrosoana any amin`ny firenena. Mila mijoro tsy hivaro-tena ny vahoaka ary tsy tokony hanaiky atao fitaovana noho izy tompon`ny fahefana. Ny safidy sy ny hoavin`ny taranaka no tokony hojerena, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT