Milaza ny mpanohana ny fitondram-panjakana fa ilaina ny fanovana ny lalàmpanorenana taorian’ny nivoahan’ny vaovao tamina haino aman-jery vahiny iray.
Lasa resabe eo amin’ny tontolo politika ankehitriny izy io fa misy ny fikasana hanova ny andininy faha-47 ao anatin’ny lalàmpanorenana mikasika ny tokony hametrahan’ny filoham-pirenena fialana 60 andro mialoha ny filazany fa kandida amin’ny taom-piasana manaraka izy. Manda izany ny avy eo anivon’ireo antoko mpanohitra sy izay milaza ho vondron’olon-tsotra. Etsy an-kilany anefa, manaiky an-kolaka ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka izy ireo. Mody ilay tsy fikitihana ny andininy tokana ve no lavina ? Toy ny manamarina ny fikasan’ireo mpanao politika sy mpitondra tsy te ho maty manota ireo ny filazan’ny avy eo anivon’ny fikambanana “Jery lavitra an’i Madagasikara” omaly fa maniry ny hanovana io andininy mikasika ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena io saingy aleo vita aloha ny lalao vao manova fitsipika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.