Politique

Vahoaka Malagasy Mila fifohazam-panahy goavana


  • Talata 07 Janoary 2020

300 mahery kely ankehitriny ny antokom-pivavahana, azo antsoina ihany koa hoe Fiangonana nahazo alalana hijoro sy hiasa eto Madagasikara.

 

 

 

Maro an’isa amin’ireo ny finoana Kristianina, fa eo ihany koa ny Silamo sy ny maro hafa.Na amin’ny haino aman-jery, na anaty gazety, na ny hita eny an-dalam-be eny dia hoe : feno mpitory ny tenin’Andriamanitra, na mpanambara ny sitrapon’ilay mpahary eto, samy manana ny voambolana ampiasainy moa.Tsy dia any loatra ny olana, hoy ny mpandinika fiarahamonina iray fa ilay hoe lasa tahaka ny entam-barotra eny amin’ny “Epicerie” ny finoana sy ny fivavahana eto.Ary ny tena mampalahelo aza dia ataon’ny olona mety tsy mahita asa matotra ho fitadiavam-bola ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, ary vao miha loza ny hanereny ny sitrapon’Andriamanitra hifanaraka amin’ny filan’ny olombelona.Efa tena mivoana tanteraka amin’ny foto-pinoana no ataon’ny olona sasany milaza azy fa mpaminany sy mpitarika ara-pivavahana eto amin’ny firenentsika hoy ny mpitandrina iray.Ilay olana ara-piainana sy ara-materialy ihany no asongadina fa lasa tahaka ny haingon-trano sisa ny foto-pinoana, hoy izy.Efa mazava anefa hoy izy fa tsy afaka hahazo fahafaham-po amin’ny zava-misy eto amin’izao tontolo izao ny zanak’olombelona , io efa iarahantsika mahita io ny olana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ohatra, ny doro tanety, ala an-tapitrisany hektaka may kila tahaka ny any Aostralia sy Amazonia, ny any Etazonia.Na eto Madagasikara koa aza dia efa loza mitatao ny doro ala ary tsapa fa tena manimba ny tontolo iainana.Atao izao fandaharan’asa rehetra izao fa toa vao miha mitombo hatrany ny ala ravan’ny afo.Ny olana any anaty tokantrano, ny any anaty fiarahamonina miteraka herisetra sy fanotana fady tsy hay eritreretina; ny famoizam-po amin’ny endriny rehetra.Maro ny zava-misy sy mitranga efa tsy voazavan’ny sain’olombelona intsony ary tsy ahitany vahaolana, hoy hatrany ity mpitandrina iray ity.Ny antony dia satria miaina anaty fahalovana, kolikoly sy tsy fahamarinana ny zanak’olombelona ary tafasaraka tanteraka amin’ilay mpahary.Madagasikara manokana dia vao haingana no nampiantrano ny Papa Ray Masina François, izay nanitrikitrika io tsy maintsy handresena ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana io, zavatra vao nohamafisin’ny Kardinaly Dsiré farany teo.Koa hiroso amin’ny fanitsiana ny tsy mety ve sa mbola hilomano ao anatin’ny kimaizimaizina ihany ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT