Politique

Vahoaka Malagasy Manantena an’i Dada


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Nahatonga solontena hanotrona ny faha 68 taonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny Tanjombato avokoa omaly ny solontenan’ireo faritra 22 eto Madagasikara. Nitamberina omaly indray ny hafanam-pon’ireo malagasy niandrandra fiovana tamin’ny taona 2009. Mbola manantena an’i Dada ny vahoaka malagasy.

 

  
Ralaivao Jean Michel, ben’ny tananan’ny kaominin’ambanivohitr’i Sabotsy Anjiro, distrika Moramanga, filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna any Moramanga (lehilahy):

 Ny andrasanay dia ny mba hisy hihaino satria mandeha ny CLD, tsy misy tonga any aminay, mandeha ny FDL, tsy misy tonga any aminay saingy tsy afa-manoatra moa. Izany no anton’ny hahatongavanay eto amin’ny Magro Tanjombato. Mba hahafahana mifanome hevitra sy mifanome Tanana hampivoatra an’i Madagasikara. Olona toa an’i Marc Ravalomanana no tadiavinay sy ny vahoakanay satria mitombo izao ny taonany ary mitombo koa ny traikefa.

Sarah Marc, avy any Antsirabe (vehivavy):

Nidina tsy ara-dalana ny orinasa Tiko AAA dia nampalahelo ireo mpiasa aman-jato tao fa tsy manan-ko hanina satria ny orinasa mbola tsy mivoha hatramin’izao. Faly izahay mahita an’i dada eto satria manantena fa izy no natokan’Andriamanitra hitondra an’ity firenena ity. ny andrasanay aminy dia ny hanova ity firenena ity amin’ny fahamarinana sy fahamasinana satria olon’Andriamanitra i Dada. Niaraha-nahita ny asa vitany saingy ireny tamin’ny 2009 ireny moa no nahazo azy. Mino izahay fa Andriamanitra no miasa ary Andriamanitra no hamerina azy eo amin’ny fitondrana.

Nangonin’i J. Mirija


 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT